4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Samy tia - Bodo

SAMY TIA
------
1. Nahoana moa isika roa
No dia voatery hiteny hoe :« tiako ianao »
Nefa mifankafantatra ao am-po ?
Nahoana koa no rehefa tonga
Ny fotoana toy izao ! Vao
lazaiko anao !
Ny fitiavako anao !
2. Tsy ho voalazako
an-teny foana,
fa ny fitiavako anao :
tsy ho amin’izao fankalazana izao!
manomboka izao isika roa;
Izaho hoanao mandrakizay,
Ny momba antsika ankinina amindray!
Réf: satriko ho ren’izao tontolo izao
Raha ny fitiavako anao
Saingy efa ampy ihany ho ahy irery;
Ny bitsiky ny masonao mijery!
3. Nahoana moa isika roa
No dia voatery hiteny hoe « tiako ianao »
Nefa mifankafantatra ao am-po ?
Saingy androany hafa ihany;
Tiako ho ren’izao rehetra izao
Ny mari-pitiavako anao!
…….. ……..
4. Nahoana moa no dia voatery;
Hifanolotra ny peratra;
F’efa ela no nivady tao am-po ?
Saingy androany hafa ihany;
Tiako ho ren’izao tontolo izao
Ny mari-pitiavako anao!
Réf: satriko ho ren’izao tontolo izao
Raha ny fitiavako anao
Saingy efa ampy ihany ho ahy irery;
Ny bitsiky ny masonao mijery!
5. Nahoana moa isika roa
No dia voatery hiteny hoe :« tiako ianao »
Nefa mifankafantatra ao am-po ?
Saingy androany hafa ihany;
Tiako ho ren’izao rehetra izao
Ny mari-pitiavako anao!
…….. ……..
Saingy androany hafa ihany;
Tiako ho ren’izao rehetra izao….
Ny mari-pitiavako anao!
BODO.

Partager samy tia

Commenter samy tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite