4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fitiavanao - Bodo

Ny fiainako hatrizay, hatramin’izao
Raha nitraka sy nihiratra
Dia noho ianao
Noho ny saina koa
Ny tanana nanaiky handray
Ny fitiavanao, no tsapako tsy nankalao,

Tsy niova
N’inona nitranga teo
Tsy mba tia sehoseho

Ny fanahy no olona
Mandalo izao rehetra izao
Masoandro tsy foiko
Ny tsiky avy aminao

Hirahira soa ny teninao mambabo ahy
Toy ny elatra hialofako
Feno fitia
Mampahery fo, ny antsonao tsy mampanahy
Fa fitaratra manoritra ny doria,

Avy aminao

Partager ny fitiavanao

Commenter ny fitiavanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite