4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fahitako anao - Bodo

Iriko foana ny hahita Anao
Hitoetra eo anilako
Hanao ireo teny mamy fanaonao
No ilaiko hoheno rahateo.

Kanefa izaho toa tsy izaho intaony
Noho ny fahitako Anao
Toa analany,toa ampitomboiny
Omeny toetra vaovao.

       Fa izay rehetra nokendreko
       manjary adinoko avokoa,
       Ianao no masaka ao an-doha
      Fa tsy mahita izay jereko
       ireto masoko ankiroa
       fa jamba aminao tokoa
       Ny sisa azoko atao, dia ny manankina aminao
      ny androm-piainako hatrizao.

Izay manintona aminao tsy haiko
Fa reko fotsiny amin'izao
Angamba koa tena efa voa ny saiko
Noho ny fahitana Anao.

       Fa izay rehetra nokendreko
       Manjary hadinoko avokoa
       Ianao no masaka ao an-droha
       Fa tsy mahita izay jereko
       ireto masoko ankiroa
       fa jamba aminao tokoa
       Ny sisa azoko atao, dia ny manankina aminao
       ny androm-piainako hatrizao.

Partager ny fahitako anao

Commenter ny fahitako anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite