4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nihamaizina ny androko - Bodo

Nihamaizina ny androko
Nilefy ilay masoandro nianjona ahy
Toa nampifoha indray ny taloha
Lasa izay nodiavintsika omaly

Toa volon'andro tena soa tokoa
ny volana no nibaliaka indray
Toa mbola tazako eo ilay alokao
Nirintona dia lasana nandao

Fa mbola ho avy ilay andro izay andrasako
Ka hipody indray ilay hazavana soa
Amin'izay fotoan izay dia ho tsapatsika indray
Hasambarana fitiavana antenaiko
Tsy ho tarangana
Raha hibaliaka indray ilay androm-piainantsika
Ho zary hafanana ilay hatsiaka
ka ny fontsikahifangia sy hiakambana ho doria
Itodio ka mba jereo ity sisa nanamboranao mitoreo

Mino aho fa mbola ho avy indray
Hivimbina hafanana sy fitia
Ilay endrikao miramirana
Hampody indray ilay fifaliana
Nijojo ny orana nanaloka ahy
Nipoitra indray ilay masoandro teo
Mba hanazava indray ny lalana
Lalandavitra hodiavina

Fa mbola ho avy ilay andro...................
ka ny fontsika hifangia sy hikamabana ho doria
tsy miova sanatria miandry ano ity foko tia tena tia

Partager nihamaizina ny androko

Commenter nihamaizina ny androko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite