4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Neny tiako - Bodo

Avia,Neny tiako

eto amin’ny foko.

Eto an-tsandriko ankavia

mba ho akaikin’ny foko.

Etsy ,etsy ho esoriko

ireo volofotsy;

Hitantaràko angano ianao

sady arahiko rotsirotsy.







Ny adidy tsy efànao

mbola tianao hotohizana

Tsy mahatsiaro hasasàrana

tsy mahalàla vizana

Mihisakisaka ,mila hotorovana

Ampy izay,

Ianao ilay niaro indray

no mba mila fiarovana







Avia Neny tiako

f’aza miahiahy

Ny ataoko anie

sombin’ny vitanao hatrizay

etsy hotatanako fa efa lànaka

Ny aina no..ny aina no matezà

f’hifampitaiza isika mianaka.





Tonony :DADAH

Feony   :DADAH

Mpihira :BODO



PS:hira hivoaka ato ho ato ho fankalazàna ny fetin’ny Reny .Mandika tanteraka ny zavatra mba tiako lazaina amin’ny Reniko ;nefa moa "N’est pas Dadah qui veut ".

Chapeau l’ARTISTE ,ary MISAOTRA amin’ireo  tononkira/tononkalo nosaratanao fa tena mipàka am-po tokoa,tsy haritro ny hangina tsy hisaotra.

Partager neny tiako

Commenter neny tiako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite