4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mitafa irery - Bodo

Androany hariva sisa
No ilay ora niandrasany
Ny teny avy ao am-poko
Tia azy aho sa tsy tia
Fa dia tsy voatanisa
Ny bitsi-po tsy fantany
F'irony hambom-poko
No voalazako tery
Hita tamin'izay
Fa menatra aho angamba
Na azoazon-tahotra
Hilaza ny ao am-poko
Nafeniko azy indray
Ilay foko kely jamba
Toro vahobahotra
Mijaly, mitoloko
Nefa ny hany andrasany
Dia ny fahalalana
F'izaho dia tena tia
Fitia tsy misy fitaka
Mino aho fa raha fantany
Izay tao am-po voatana
Tsy misy tahaka ity
Ny foko mba hibitaka
Saingy lasana izy
Nivily lalan-kafa
Nandeha namboly indray
Fitiavana any an-kafa
D'izaho mangina irery
Izaho irery no mitafa
D'izaho mangina irery
Izaho irery no mitafa...

Partager mitafa irery

Commenter mitafa irery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite