4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy farany - Bodo

Ny andro maizim-bava vilany
Ny fiarahana tena mamy
Fa tsy maintsy hifarana eto
Izaho maika hamonjy ny akany
Ianao koa torak'izany
Fa tsy maintsy hisaraka eto

   Ny diavolana ho lava niarahana natao
   Mbola averina eto indray ao aoriana
   Fa ny anio,ho tapitra atreo
   Ho enti-matory ho nofisina
   Satry hiaraka ihany
   Malaina hifandao

Ny zavatra atomboka rehetra
Tsy maintsy misy farany ihany
K'aza ataonao mahaketraka
Izaho na dia toa hitomany
Tsiky no hasoloko izany
Ao aoriana ihaona ihany

    Ny diavolana ho lava
    Niarahana natao
    Mbola averina eto indray ao aoriana
    Fa ny anio ho tapitra hatreo
    Ho enti-matory ho nofisina
    Satry hiaraka ihany
    MAlaina hifandao!

Partager misy farany

Commenter misy farany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite