4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fenonao - Bodo

Fenonao (Bodo)

Izay jereko anie ry aiko
Omban'ny alokao,
Tsy hitahita toa tsy haiko,
Fa voatonona ny anaranao
Ny tontolon'ny fisainako
Manjohy anao am-binany
Tiako ianao amin'ny fiainako
hanorenana akany.

Aiza ianao, (in-2)
Moa ve mahatsiaro ahy;
Izaho aty mbola tia,
tena tia fa aza manahy!

Raha toa ka misy eritreritra
Tonga ao an-dohako ao
Voatsiahiko matetika
Ireo tokintsika izay natao,
Isan'andro aho mitsiky
Lavitra ahy ny tomany
Fenonao mihitsy
Ilay ratra-poko nanontany

Ny sarinao tsy mba miala eto imasoko
Vota sikotra tsy maty ato anatiko
Eny anao aho, anao
Tena tia fa tsy an'ny hafa.....

Partager fenonao

Commenter fenonao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite