4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpandalo - Vahömbey

Tsiky kely iray
Namelana tsindraindray
Tara-masoandro saro-kenatra
Tara-masoandro
Sendra fafy erika mandalo
Sady miafina no mitsirika

Topimaso angalangalarina
Kanefa mikobona eritreritra

Eritreritra miharitra
Ny hivaky fa hoe tena finaritra

Mpandalo
Nandalo sy niserana mpandalo hafahafa
Nandalo tsy nilaza
Tsy nilaza izay voakasa
Nandalo tsy ankitafa
Tsy ankivolana hafahafa
Nandalo
Mpandalo hafahafa
Mpandalo
Nitsiky tsy ankitafa

Partager mpandalo

Commenter mpandalo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vahömbey

Suite