4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miambina - VahÖmbey

Lanadanaka aho, valabalaka
Reraka mila ho ketraka
Malaindaina, te haka aina
Hiatrehana ra-maraina
Hiato aloha tsy hirotoroto
Hitombina, ampody zoto

Aoka aho,Tompo, aloha haka bahana
Hisento, hanala harerahana
Resin-tory ny ondry
Izaho hamaha totohondry
Sao fesona
Hipi-maso vetivety
Raha azo atao,raha mety

Hazakaza-dava ny ahy, miarakandro
Mamerin-doha ny volavita isan'andro
Sao diso lalana ka very
Sao sanatria mania,maningan-drery

Miasa aho,Tompo ô, tsy ankiato
Miasa ho anao lava izao
E ity izaho mila hihongo-bolo,
Mitandrina ireo Didy Folo

A/C: Roland VahÖmbey RABEARISON
2001

Partager miambina

Commenter miambina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VahÖmbey

Suite