4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mangana - Vahömbey


Feon-dokanga moramora mampahatsiaro safosafo
Toreon-gitara mitaraina,
Langolango malaindaina
Mitanisa zava-maro tsy hitako ho tantaraina
Misakobom-botofotsy aho, mitoretra,
Lasa saina… !
Rehefa merika iny ny andro, maha-ngolingoly ny ando
Tsy haiko intsony na ny foko, na ny lanitra no mihofo ?!
Satriko ihany tsy hitomany hiezaka ho mafy loha !
Nefa ny lanitra ami’zany ? Malomaloka ka tssss...
Izany rehetra rehatra izany sy izao rehetra izao...
Mampandrango-ndrindrina ahy ny alokao mananihany!
Naninona no dia ririna no iny ianao vao sahy nandao,!
Ny eritreritro fihinina ataovy entenkelinao!
Feon-dokanga moramora mampahatsiaro safosafo

Partager mangana

Commenter mangana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vahömbey

Suite