4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho anjarako - Tovo J\'Hay

Efa nodorako izay rehetra rehetra momba anao
Novotriariko izay sary rehetra misy anao
Fa tsy maty anaty foana ilay tsiaro, tsy mangina
Fa maro loatra ireo tantara mifangaro

Efa narindriko tsy ho hita ireo firavako
Zay rehetra nomenano efa anaty lavaka
Indrisy anefa fa miraikitra tsy miala ato anaty
Lay endrikao manaraka ahy, indraindray tsy tanty

Niazakazaka aho hijery izay mba nisy anao
Nivezivezy tsisy hery nitady ny nomerao
Ilaza fa dia mbola ianao ihany no tiako
Ianao no hiriko ho anilako eo
Dia mbola ianao ihany no ekeko HO ANJARAKO

Ilay toerana faleha niarahana nitafy
Tsy nandalovako intsony niviliako lalan-kafa
Ny maso anefa mitsipalotra mangalatra mankany
Fa feno loatra ny alahelo ka kotsan'ny tomany

Tsy tiako henoina intsony ireo hira izay mba fihainontsika
Izaho sy ianao mifamihina rehefa andro mangatsiaka
Nefa ny tonony sy ny feo tsy afaka an-doha, lasa aretim-po
Nanjary vao may nankarary

Partager ho anjarako

Commenter ho anjarako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo J\'Hay