4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpandresy - Ny salohy

1-avelao hiditra ny fahazavana
ka hanjaka ao anatinao
handresy ireo haizina rehetra
izay namatotra anao hatrizay
ka hiova ho vaovao
ny fiainana izay iainanao
ny alahelo sy tomany
ho zary hafaliana izany

ref: ka ho mpandresy ianao
satria manana ny zanaka
dia ho fanasina ho an'ireo namanao

ka aza lavina ilay fahazavan'i Jesoa
dia ho tanteraka ianao anatrehan'ny ray tsitoha

2-izaho sy ianao no hifampitantana
hanatanteraka izay nolazainy
hitory ny filazantsara
hatramin'ny faran'ny tany
ka ra ho avy ilay andro
izay hiaviny amim-boninahitra
izaho sy ianao ho isany
hiara hifaly any andanitra

ref:...........

ny fahoriana rehetra izay niainanao tety an-tany
foana hatreo tsisy intsony
satria ianao efa eo an-tratrany

Partager mpandresy

Commenter mpandresy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny salohy

Suite