4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izahay - Ny salohy

1- Izahay manatrika anareo izay vory eto anio

   Na ny ankizy, ny tanora dia izao no tadidio

   Natokana izahay hitory Filazantsara soa aminao

   Na mpitondra tena na kamboty na manana dia izao

   Jesosy nanolotra ny ainy ho famonjena anao



2- Na i Dada, na i Neny, ry zoky sy zandry

   Tsy manan’inona omena anao izahay sao sasa-miandry

   Dihy mirindra ary koa tantara, hira fiderana

   No atolotray ary asehonay mba ho fankalazana

   ’Lay Tompo Mpamonjy ary koa Mpanavotra



3- Ray, Zanaka ary koa Fanahy : ANDRIAMANITRA MAHERY

   Nandresy lahatra ary hampifoha anareo izay mijery

   Marary va ianao sa manana olana na sorisorena ?

   Efa miezaka ihany nefa toa tsy manam-pahendrena

   Raiso JESOA dia homeny anao ny fahendrena



                 RATSIMBAZAFY Nirison Rivoniaina

Partager izahay

Commenter izahay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny salohy

Suite