4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiainga aho, hitory anao - Ny salohy



1)Nampianarinao ahy ny fahalalan’ny fanahy

Ny teninao, ny làlanao ny ami’ fiainam-baovao

Efa nomenao ahy koa ireo talenta marobe

Entina hiderana Anao ka manainga ahy handeha



Fiv. : Hiainga aho ka handeha hitety izao tontolo izao

Hitory ary hampandre hizara ny fahasoavanao

Hanambara ny vaovao mahafaly amin’ny olona rehetra

Hanafaka ireo mijaly sy ireo mbola voageja.



2) Fantatro fa mafy ny asa nefa koa matoky aho

F’Ianao Jesoa ’lay niantso ahy no hanafy hery ahy

Haiko koa fa eo afovoan’ny amboadia no hisy ahy

Ianao no aroko ka tsy mba hatahotra aho



Naina


Partager hiainga aho, hitory anao

Commenter hiainga aho, hitory anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny salohy

Suite