4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hira ho anao - Ny salohy

1) Hira ho anao indro no atolotray

   Ho fanajana ilay fitiavanao

   Avy ao am-po ka indro raiso

   Tompo ô mba hideràko Anao

Raha ny finoana izay kely ananako

Avy Aminao ka indro atolotro

Fa vokatry ny ao anatin’ny foko

Izay mba hideràko anao



Fiv. : Raiso re ny saotra izay atolotray

       Ô mba henoy koa izany hatakay

       Noho ny herin’ny fitiavanao

       Dia hihira ho Anao

       Dera, laza sy voninahitra

       Ho anao mandrakizay doria.



2) Meteza Ianao mba handray ny hirako

   Tsy hay tohaina avy ao am-po

   Hira fideràna indro asandratro

   Ankalazako ny anaranao

Ny molotro dia tsy hitsahatra

Ho fanehom-pankasitrahana

’Zay vokatry ny ao anatiko

Ka dia indro raiso ho Anao



                RATSIMBAZAFY Nirison Rivonianina

Partager hira ho anao

Commenter hira ho anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny salohy

Suite