4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miderà an'i jehovah - Ny salohy

       1- Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany

          Ampahafantaro ny firenena ny asany

          Mihirà ho Azy, mankalazà Azy

          Saintsaino ny fahagagàna rehetra izay nataony

          Ataovy reharehanareo ny Anarany Masina



          Aoka hifaly ny fon’izay mitady an’i Jehovah

          Katsaho mandrakariva ny tavany

          Mahatsiarova ny asa mahagàga izay ataony

          Dia ny fahagagàna sy ny fitsaran’ny vavany



       2- mihirà ho an’i Jehovah ry tany rehetra

          Lazao isan’andro ny famonjena mahafaly

          Ambarao amin’ny jentilisa ny voninahiny

          Ary any amin’ny firenena ny fahagagàna ataony

          Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina



          Ry firenena manomeza voninahitra

          Sy hery ho an’i Jehovah

          Manomeza ho an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany

          Mangovita eo anatrehany ry tany rehetra



                 RATSIMBAZAFY Barijaona Njakatiana

Partager miderà an'i jehovah

Commenter miderà an'i jehovah

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny salohy

Suite