4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Takariva firaisana - Ny Railovy

Indreny ny vorona lasana nody nisosa tsy tàna

Ireo mpiasa tany tsy miraidraika mamonjy tanàna

Mamy ny mody mamonjy ny akany

Tsy misy somonga fa marina izany



Ikaky sy neny dia manina foana e!

Mahita ny ankizy indray manoloana e!

Maizina ny andro e! Ny masoandro efa dila

Efa tapi-nahandro re ny an-tanàna

Dia manaitaitra manaitra kilonga

Ny hira diavolana arahina aponga



Indreny tokoa ny ankizy an-tanàna fa velon-koràna

Ny raosy jamba sy ny diamanga tsy ifankahitàna

Mifaly izay tsy izy ka miraondraona

Ny hiran’ankizy indray tafahaona e!



Ikaky sy neny dia manina foana e!

Mahita ny ankizy indray manoloana e!

Fa mahatsiaro ireo andro fahiny

Injay velom-bolo ankehitriny

Mahita ireo dihy miara-midola

Mahasondriana sy mba mahatola

Partager takariva firaisana

Commenter takariva firaisana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Railovy