4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rakoto matilo - Ny Railovy

Takona tsy tazana any ambadik’any ho any ilay tanànako

Ho saraka tsy hita anoloana ny tavako ireo havako

Hofan-tànan’olon-tiana, kopakopaka mosara no nilaozako

Morontsiraka mafana, tora-pasika mandoro no vantaniko



Any an-dranomasina any ambany lanitra mangina no honenako

Alin-kitana amam-bolana sy rivotra madio nomba làlako

Eny an-tokontanin-tsambo miaraka amin’ny gitara no hiràko

Ireo hira izay fikaloko, ny hirahirantsika tena mamiko



Veloma ry Iarivo, ry Iarivo mamin’ny fo

Veloma mandra-pihaona, tsy hanadino anao Rakoto matilo

Là là là ....



Raha sendra embonembona any ho any ka voatonona ny anarako

Dia tsarovy fa manjohy anareo any koa ny eritreritro

Ireo sarin’ny sakaiza sy ny sarinao ry tiana no fandrianako

Isan’andro vao mifoha, na alina hatory, ho voajeriko



Eny taona maro angamba, any volana tsy voafetra hiverenako

K’aza malahelo foana fa antenaiko hisy fihaonana ny anjarako

Amin’izay fotoana izay hifampiatoraka isika hifamihina

Ho eo imolotro indray ireny teny mamintsika fahizay

Partager rakoto matilo

Commenter rakoto matilo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Railovy