4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpanjono mody - Ny Railovy

Lasa ny masoandro

Mody ny mpanjono

Valaka sy trotraka,

Maizina ny andro

Mangina ny tontolo

Sisa hita kintana ;



Manjohy mirefarefa

Manara-dohasaha

Ny taratra miantefa

Mamohafoha fanahy,

Mitsinjo ny to tody

Ireo mpanjono mody ;



Faingàna, faingàna

Fa minadry anao

Ilay tiana mangina ao an-trano,

Faingàna, aza ela, modia ianao

Fa efa hariva ny andro ;

Partager mpanjono mody

Commenter mpanjono mody

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Railovy