4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha nofy ihany - Ny Railovy

Ireny kintana ireny

sy iny volana iny

raha tambazanao halaiko mba ho firavaka

dia mbola ho nofinofy ihany

    

          Iny habakabaka iny

          sy ireny rahona ireny

          raha finidinao ho akany

          mba ho fonenana

          dia mbola ho nofinofy ihany



          (rodoben-dehilahy)

          Fa raha ireny no firavakao

          iny habakabaka iny no fonenanao

          dia masoandro hamiratra eny

          ny foko tia anao





Eny  ny fitiavantsika

hiara-dia am-panahy

ka ny hira tsara indrindra

no ho kaloiko ao

dia ny vetsom-poko tia anao



          Raha ho nofy ihany izao isika izao

          dia naleoko hatrany tsy nahalala anao

          saingy fitia te ho sambatra

          tiana sy tia tafatambatra

          ka ny zavatra hitan’ny maso

          dia mitory fitia ankamantatra



Ho anao, anilanao, ny vetsom-poko tia anao




Partager raha nofy ihany

Commenter raha nofy ihany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Railovy