4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Romy - Ny Railovy

Toa nilatsaham-baratra aho, nadray ny taratasinao

Nilaza fa tsy tsara intsony ny hiarahako aminao

Ny maso foana no manganohano mivontirika e !  

Romy !

Ny molotro aza maina kina, sina sy mangahiahy



Niverina namaky fanindroany, toa adala anie aho

Tsy nety nino fa tinapaka, sy saraka aman-taho

Nivezivezy toy ny ravina entin’ ny tadio anie aho

Romy !

Tsy nisy tanjona mba ifaharako hahay



Romy o ! Romy tiako indrindra

Mangaina anie ’ty izahon manjahatra sy mitakiky

Tsy ambany aho anefa ka hitalao,

Fa aleoko vaky fo torovana sy manjokaiky



Toa nilatsham-baratra aho, nandray ny taratasinao

Nikasa hila resaka mitokana aminao anie aho

Tsy Zanahary anefa ianao ka hoe :

Hitomaniako indray...

Romy !

Hozakaiko samirery ihany re ny fahoriako





Ny Railovy

Rabe Samuel (Bessa) - 1965


Partager romy

Commenter romy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Railovy