4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tonga ihany aho - MIckael

TONGA IHANY AHO



Tonga ihany aho,

Na dia kely tokinaina

Fo tafita no antenaina,

tonga ihany aho.



Tonga ihany aho

Sanatria tsy hampiasa loha

Entina hambabo fo

Fa tsotra ihany aho



Tonga ihany aho

Na dia vahobahotra aza

Sakodiavatra hilaza,

Hanazava



Tonga ihany aho

Tsy hampidera tapitrisa

Na hampanofy paradisa,

hampandry hadrisa



Tia anao aho dia tonga

Tsy nikajy izay fomba

hoentiko handresen-dahatra anao

Tsisy fiara hisekoana

na saranga hisehoana

ny ambony toy ireo manan-katao

Na dia hoe mikaviavia

Tsy manadala sanatria

Fa tena tia, tena tia, tena tia

Na ho eny, na tsia

Dia mba mankaty

Raha toa ilain-dry



Tonga ihany aho

Na dia be ireo nanankiana

Hoe tsy alehany aho tsy izy

Tonga ihany aho  (tonga aho)



Tonga ihany aho

N’iza n’iza hikakakaka

Hahita ahy hiambakavaka

Tonga ihany aho (tonga aho)



Tonga ihany aho

Tsotra akanjo aho tsy nipaozy

Tsy nanaraka lamaody

Fa dia tsotra aho



Tonga ihany aho

Na dia fotsiny aza hoe

Hahita anao aho dia andeha

Tonga ihany aho.



Tia anao aho dia tonga

Tsy nikajy izay fomba

hoentiko handresen-dahatra anao

Tsisy fiara hisekoana

na saranga hisehoana

ny ambony toy ireo manan-katao

Na dia hoe mikaviavia

Tsy manadala sanatria

Fa tena tia, tena tia, tena tia

Na ho eny, na tsia

Dia mba mankaty

Raha toa ilain-dry



MICKAEL

Partager tonga ihany aho

Commenter tonga ihany aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIckael