4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andeha isika - MIckael

Andeha isika hiara-anandram-peo!

hiara hisaotra an Andriamanitra!

Fa samy notsimbininy avokoa

ka velon’ aina eto anio izao.



Maro ireo mbola tsy mahatsapa

ny fitiavan Andriamanitra

ka tsy mahay mamaly fitia

an’ Andriamanitra fitiavana.



Isika kosa, venteso sy hira

aleloia aleloia dera!

derao ny Tompo

ilay Tompo tia

fa ny fitiavany no iainantsika.





Andeha isika hiara hanandra-peo

hiara-hangatam-pahasoavana

Ho entitsika, hamakivaky ny onja!

Ny onjam-piainantsika eto an-tany.



Be mpankahala anefa osa isika

kely finoana kely herim-po

koa mba tohano, sy tantano

tolory tanana izahay Jesoa.



fa ianao no hery ianao no toky

ianao no andry hianteheranay

Matoky izahay manana anao

ka ho mpandresy miaraka aminao.



         Mr Basile RAMANANTSOA

Partager andeha isika

Commenter andeha isika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIckael