4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sarobidy - MIckael

sarobidy loatra ilay fitiavana

nomenao ahy

efa manjaka ato amiko ka aza manahy

indro ny foko efa natokako

ho anao irery ihany

ho anao ry ilay tiako sy hany tokako eto an-tany

mamiko tokoa raha ny fitiavana

ka tena sarobidy

sambatra ny foko fa nahay nisafidy

mino marina aho

fa ho finaritra

raha ny hoavintsika





tsy ataoko diso anjara

na koa diso toerana

ny fonao efa tia izay

azoko honenana

hametrahako ny aiko

sy ny fanantenako

ny fiainako rehetra

ho zary fahasambarana

ilay fitia tsy misy fetra



sambatra ny foko ary azoko antoka

ny anilanao ry tiana

ny andrompianako rehetra

ho feno fifaliana

tsy ataoko tsinontsinona

na ho hamaivaniko

tsy ambany sanatria

fa mahery lanja ato amiko

izany hoe tena tia

Partager sarobidy

Commenter sarobidy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIckael