4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho any aminao - MIckael

Tsy atakalo, tsy hiova ny androntsika anio

Hanainga faingana aho hamonjy ny androntsika anio(bis)



Tsy atakalo, tsy hiova

Ny andro anio zay hiarahako aminao

Tsy hasanda vola, tsy hasanda harena

Sarobidy

Zao rehetra zao raha hanjakako anio

Dia tsy hanova izay efa raikitra

Fa ianao ianao ihany

Zay no anio



Ref: Hanainga faingana aho hamonjy anao

Ela nandrasana izao andro izao

Ho aminao anio no anton-diako

Ho any aminao no faniriako





N’iza n’iza handresy lahatra ahy

Ka manao zay tsy hihaonako aminao

Dia ho lany, lany andro eo

F’izaho tsy hiova

Fa ianao, ianao ihany

No efa nameko ny androko anio

Ka ho ahy tokana ihany

Ny hahita anao



Enga anie ianao ho toa ahy koa

Tsy misy hatakalonao ny andro anio

Sy izay mety ho sakana

Tsy handresy lahatra

Fa sarobidy loatra ny anio

Sarobidy ny anio



Tsy atakalo tsy hiova ny androntsika anio

...

Partager ho any aminao

Commenter ho any aminao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIckael