4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpanota manary fanahy - MIckael



E ry mpanota manary fanahy o!

Tsisy ny vonjy antenainao intsony

Mba te hibebaka ’nefa tsy sahy sao

Feno ny ota tokoa zany fony.



Ref:(Ny marina anefa)

Eny e! Tsy nisy natao tsy ho faty anie

Samy miandry ny anjarany rahatr’izay

Maty fa tsy mba nibebaka akory re

Elo no honenany mandrakizay



Masina hono ireo izay misaina hoe

Mino fa tsy mba nanota ny fony

Tsara ny asa natao ka dradraina hoe

Tsisy ny ilaina mibebaka intsony



Ref



Ho avy e! ny Tompo hanome famonjena ka

Tokana monja ny fetra ilainy

’Reo ’zay mibebaka no ho vonjena fa

Misy ny tena mpanota fa tiany.



Ref

Partager mpanota manary fanahy

Commenter mpanota manary fanahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIckael