4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zandry - Poopy

ZANDRY
Album "Mifameno" - Août 2003

Androany ianao no tratry ny faha-enim-bolana
Mibadabada, mitehaka, miantso an’I Dada
Ka faly I Dada (02)
Hatramin’izay moa dia ny nonon’i Neny
No nankafizinao sy nahazatra anao ô ry Zandry a!


Androany amin’izay dia hiova ny fomba fiainanao
Manomboka miampy izao ny fivelomanao
Hitombo ny sakafo mba hivelaranao
Hahita tsiron-javam-baovao
Toy ny kobam-bary, ovy nopotserina
Totom-boanjo, patsa,
Trondro sy anana
Hena sy legioma sy voan-kazo koa
Ankafihizo fa soa ho anao


Aza manahy ianao rehefa hatory
Satria ny nonon-dreny tsy hajanona akory
Fa hitohy, sy mbola ho ela
Ireny rehetra ireny no omena anao
Satria tian’I Neny Hitombo saina sy vatana ianao
Ary ho salama

Androany amin’izay dia hiova ny fomba fiainanao
Manomboka miampy izao ny fivelomanao
Hitombo ny sakafo mba hivelaranao
Hahita tsiron-javam-baovao
Toy ny kobam-bary, ovy nopotserina
Totom-boanjo, patsa,
Trondro sy anana
Hena sy legioma sy voan-kazo koa
Ankafihizo fa soa ho anao


Omeo sakafo ny zaza
Fa feno enim-bolana ny zaza
Omeo sakafo ny zanakao
Fa feno enim-bolana ny zanakao

Partager zandry

Commenter zandry

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite