4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zanaka iraky ny ray - VHF

ZANAKA IRAKY NY RAY

O ry Tompo Ray Tsitoha

Torotoro tokoa izany fo

Raha mandinika ny momba anao

Mibanjina ny hazo fijalianao

Teo ny ranao no nalatsaka

Fa ianao ilay mpanafaka

Ho sorona hisolo ny helokay

Hay ianao ilay zanaka iraky ny Ray



Ka miantso anao, miantso anao zahay

Ianao ilay zanaka iraky ny Ray

Mba vonjeo ity taninay ity

Fa feno olona mpanota sy mania



Hatramin’izay ka hatramin’izao

Raha ny ditra sy ny ota izay natao

Angamba dia handositra ianao

Kanefa Ray ô ianao tsy mba nandao



Mba omeo fo madio

Ka ny lalanay Jeso tariho

Mba ho tody an-tranon-dray

Fa ao ilay fonenana mandrakizay

Ilaozako ny tsiron’ny tany

Ny andon’ny lanitra manainga ahy ho any

Efa namboarinao fitoeranay

Anilanao ry Ray ô tsy ferana

Ka miantso anao, miantso anao izahay

Ianao ilay zanaka iraky ny Ray

Midera anao midera anao zahay

Ny haleben’ny fitiavanao tsy hay tsy hay



Fa any ankoatra no misy soa

Toa takona kanefa tena ao tokoa

Mamiratra ilay voninahitra

Natokana ho an’Andriamanitra

Partager zanaka iraky ny ray

Commenter zanaka iraky ny ray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VHF