4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tany mila - VHF

TANY MILA

Mila miantso anao zahay ry Ray Ao ambony ao

Fanahy Masinao Ray ô mba arotsaho

Tany mila vonjy ity taninay ity

Be ny ota vita be ny ditra sy nania

Tsy voatandrina ny didy efa noraràna

Tsy mitsaha-mitombo isan’andro ny hadalana

- Maizina ny tany mitady hanjaka I satana

Raha sitrakao Ray o mba omeo hazavana- (2)



Izaho dia manontany tena hoe ahoana ihany

Fa betsaka ireo olona milaza fa ho mpaminany

Dia manambara sy milaza hoe izao sy izao

Fa izy ireo hono anie mpitondra ny hafatrao



Misy izao milaza fa ianao hono efa eto an-tany

Dia nilaozanao ve zany ny any an-danitra any

- Miodina ny loha tena vaka ny saina

Aminao zahay ry Ray Tsitoha mitalaho mitaraina – (2)



Rainay any ambony izay inoanay tsy fantatray intsony

Mangataka aminao zahay mba omeo fo tony

Rainay any ambony ny finoanay mba tazony

Efa anao zahay tsy handao anao intsony

Tsy ho voarebirebin’ny asan’ny demony



Aza avelanao irery fa mafy ny alon-drano

Hitety onja mahery Jesosy O mba tantano

Miady ny ady sarotra ity mpanomponao

Kanosa feno tahotra ombay ny sandrinao

Alabe mikitroka haizim-be migodàna

Izay lalana aleha feno asan’I Satana

-Kanefa kosa Ray raha ianao no tsy mandao

Dia hivoaka ho mpandresy ity mpanomponao-(2)



Rainay any ambony

Tano aho fa aza avela intsony

Anao foana aho mandra-maty tadio fato-maty

Rainay any ambony ny finoanay mba tazony

Efa anao zahay tsy handao anao intsony

Tsy ho voarebirebin’ny asan’ny demony

Ny finoanay ry Ray o mba tazony

Partager tany mila

Commenter tany mila

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VHF