4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hitako ka hizorako - VHF

HITAKO KA HIZORAKO

Maninona hoa zany zanako izany e

Toa mifendrofendro sy toa mitomany e

-Avia manantona ry menaky ny aiko o

Ho safosafoiko sy hokarakaraiko

Ny alahelo miavosa ny fonao tomany e

Mba marina mafy raha zakako izany a- (2)



Aza sodoka mizotra amin’ny lalan-dririnina e

Mieritrereta amin’izay ny ho avinao re banjinina o

Dieny Mbola misoka aminao isan’andro ny tara-pahazavana

Fa  raha io re no maizina eo ianao sy satàna



Hitako izao re ny lalana tsara hizorako e

Dia ny vavaka ihany no lamba itafiako isalorako ô

Ny finoako ilay Ray ao ambony tompon’ny maro ô

Izy no ampinga hoenti-miady ary koa hoenti-miaro o

Izay miaraka amin’ilay Ray anie tsy ho irery

Fa manana tanjaka saina sy hery

Ka sanatria aminay izay ho very

Raha sendra tafiditra amin’izay lalana tery



O ry Tompo malala zahay mba tahio

Dia mba vangivangio ary tsiditsidio ô

-Oneno ny fonay avia mitoera

Arovy amin’ny ratsy izahay tsy hianjera

Mbola lavitra mantsy ny lalana aleha

Toa feno haram-bato sy dezaka be- (2)



Ny Tompo aza atao tsinontsinona

Sao ahita ngiidiny

Sao hianjera aminao re ny kapoka tonga tsy fidiny

Mifona mivalo sy mihanta aminao re Zanahary

Aoka re ny kapoka atao aminay re fa marary

Partager hitako ka hizorako

Commenter hitako ka hizorako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VHF