4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sakaiza tsara - VHF

Ry Rainay  Malala o Ray be indrafo

Ity zanaka adala mba amindrao fo

Aza avela ho very tsy mahasara-dia

Fa mba omeo hery ry Tompo tia

Feno tambin’ny ota sy haizina be

Feno ditra sy ota izay làlana aleha

Toa voavely kanonta miantso ts’isy mpandre

Ka faingana ry Ray o mba vonjeo re



Raiko malala o inty aho ity

Lay zanaka adala ilay zaza nania

Inty tamy aho manatona anao

Ka raiso aho Ray o aza lavinao



Ry Ray feno antra raiso aho fa ory

Ity olo-mahantra tsy mahatraka akory

Mba esorinao Ray o ity kapoaka mangidy

Doro afo mahamay ity lala-nofinidy

Ianao  re ry Tompo ilay sakaiza tsara

Miaraka aminao iny anie tsy mba ho very anjara

Ka hiverina indray an-tsandrinao mahery

Ka mba raisonao Ray o ity ondry saika very



Raiko malala o inty aho ity

’Lay zanaka adala ilay zaza nania

Inty tamy aho manatona anao

Ka raiso aho Ray o aza lavinao

Partager sakaiza tsara

Commenter sakaiza tsara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VHF