4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Haleloia - VHF

HALELOIA

HAleloia (3) oh Amen – (2)-

Ity tanintsika ity tsy misy tafapetraka ela ety

Fa tany fandalovana ity

Fa ny tena fonenana any an-koatra any

Rehefa tonga ny antson’ny Ray

Dia tsy maintsy mody amin’izay

Tsisy azo anaovanao be marenina hoe

Maditra aho ka tsy azo tenenina



Aleloia (3) oh Amen – (2)-

O mihobia miderà mifalia ary mankalazà

An’ilay Jehovah tompon’ny maro

Andramo ka zahao fa tsara izy



F’izao tinazana rehetra izao

Dia hody vovoka sy ho lao

Ity tany tsisy azo ianteherana

Fa any an-danitra any no tena fonenana

Ny taona iainana efa voaisa

Fenoy fitiavana ny andro sisa

Tsy misy mahay ody faty

Fa mikipy ny maso rehefa lany daty

Lany daty



Ndao hifona hitalaho

Mba jereo ity zanakao ory very toa zaza nania

Miantso Anao ry Ray be fitia



Indro misy didy vaovao

Napetraky ny Tompo ho ahy sy ho anao

Ny mba hifankatiavantsika tsara

Dieny mbola tsy tara tsy ho ratsy fiafara

Aza manjeny ny andro lava

Ny haizina dia hody hazava

Tsy hita akory dia mihelina ny andro

Sao dia variana aza mangataka andro



Aleloia (3) oh Amen – (2)-



O ry Ray mba jereo

Ndrao zahay lavo ka vonjeo

Mombà anay ry Ray be fitia

Mba tsy ho solafaka izany dia

Hamorony fo madio hanakaiky ny fanahinao

Zany lalako ahitsio hanaraka ny didinao



O mihobia miderà mifalia ary mankalazà

An’ilay Jehovah tompon’ny maro

Zahao fa tsara izy

Aleloia (3) oh Amen – (2)-


Partager haleloia

Commenter haleloia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VHF