4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Variana - Poopy

Variana, variana mijery

Ny fombafomabn’ny hafa

Tavela, tavela irery

Nilaozan’ny omby niahaka

Fa ny tany miodina ihany

Mandalo, mandalo ny fiainana

Lany andro mitsikera

Ny an’ny tena tsy hita



Ho aiza, ho aiza

No tena be fitrena

Ny làlana anefa iray

Alao mora fa sao mora tola

Ny aina tsy roa fa iray



Malama, malama ny làlana

Kanefa ianao tsy mijery

Ny mety, ny mety hifaharana

Ka indro fa potrak’irery

Fa ny andro misosa ihany

Ny resaka anie tsy ho lany

Izay vita toa tsy hita

Fa mitakoritsika ihany



http://www.multimania.com/schmilblik/malagasyrainb.html

Partager variana

Commenter variana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite