4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tandrifin-drahona - Poopy

Malomaloka toa maina molotra sy trotroka
Manontany tena farany hoe misy ve
Izao Ray antsoiny izao

Toa valabalaka tsy misy atokona fa sasatra
Mieritreritra mangina ihany hoe misy ve
Izao rariny andrasany izao

Aiza ianao ry Ray? Fa tsapany lavitra

Erikerika manjombon-dava re ny androny
Fa ny valim-piharetany toa mbola aizina ka
Dify foana ny masoandrony

Ireo mba namana tsy afa-manoatra fa tsy manana
Mila ho azon'ny fakam-panahy handà izay manjo
Soa fa mahery ianao ry Ray tsitoha

Toa mangina ianao ry Ray ô, mba henoy

Ifonany aminao ny rediredy tsy tsaroany
Fa mafaitra loatra izao ry Ray ô
Tsy telina ka tonga miantso anao anio
Fa mahatoky anao, ry ray ô, mba hiantrao

Raha fitsapana izao ekeny raha avy aminao
Fa ianao anie no efa nametrahany
Ny androm-piainany efa nankininy aminao
Eny mahatoky izy f'ianao mitantana

Izy mahatoky anie
ny fandresen'ny herinao lehibe.

Partager tandrifin-drahona

Commenter tandrifin-drahona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite