4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tahio - Poopy

Apetrako eo an-tananao
Ary ombay ny hatsarànao
Andriamanitra o mba tahio,
Sombinaiko io

Zaho mba toroy sy ampahalalao,
Hahay hitondra ilay nomenao,
Ampio hahay hitarika io
Sombinaiko io.

Na ho maro eny, ny mafy holalovany,
Ampy ho ahy ny teny fa ianao momba ny diany

       Ny tena iangaviako anao
       Ho eo ambany tantananao
       Omeo fo sy saina madio
       Sombinaiko io.

       Ka raha sanatria mandao
       Minia miala ny lalanao
       Andriamanitra o ahitsio
       Sombinaiko io.

       Fa tsy misy tsara toa ny manana anao
       Fa manana anjara amin'ny fiarovanao

Ny tena iangaviako anao...

Partager tahio

Commenter tahio

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite