4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tahak'izay - Poopy

Toa tsy nanontany sady tsy niera akory izato ianao
Eny tonga avy hatrany naka toerana nitoetra niorim-paka teo
Dia niova ny fijery lasa teo ambeti-teny ny anaranao
Voabahanao ny fo nanjakanao koa ny loha dia niaiky aho
Iza moa no hanam-po ny tantarantsika roa tsy haharitra
Fa raha fantatra   mialoha dia naleoko ihany aloha marimaritra
Tsy nihevitra ny hoe ho zary nofy ihany anie izato ianao
Ka tsy hitoetra fa handeha mbola handia lalan-davitra be

Tahak'izay aho tamin'iny tsy nibanjjina nijery ny masonao
Tahak'izay aho mba nivily
Tsy nandray ny tananao hamihina ahy
Raha tsy izany rehetra izany
Dia ho foana ny fotoana niresahantsika roa
Dia tsy ho revo anao saingy indrisy hoy aho
Tsy afaka hiverin-dalana aho

Toa tsy nisy teny tsisy fanazavana fa lasa ianao
Lasa toa nirenireny tsy nitombona taraina ny fanahiko
Dia ny nenina no sisa averimberina alin-kisa tsy hita ianao
Manontany tena ihany fa nahoana no iafarany no toy izao
Nisy ve ny hadisoako no toa lasa an-tsokosoko nandao ianao
Fa voaratranao ny foko feno sento sy toloko marary aho
Mitaraina koa ny sainavalabalaka ny aina nilaozanao
Saingy mitohy ny fiainana tsy afaka mijanona hiandry anao

Partager tahak'izay

Commenter tahak'izay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite