4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tahak'izay - Poopy

Dia tsy mba niteny
Sady tsy nijery akory
Izato ianao
Eny tonga avy hatrany
naka toerana,nitoetra
Niorim-paka teo
Dia niova ny fijery
Lsa toa ambetin-teny ny anaranao
Voabahanao ny fo, nanjakanao koa ny loha
Dia naniky anao aho

Iza moa no nanam-po
Ny tantaran-tsikaroa tsy haharitra?
Fa raha fantatra mialoha
Dia naleoko ihany aloha marimaritra
Tsy nihevitra ny hoe
Ho zary nofy ihany anie izato ianao
Ka tsy hitoetra fa handeha
Mbola handia lalan-davitra be

TAHAK'IZAY AHO TAMIN'INY
TSY NIBANJINA NIJERY NY MASONAO
TAHAK'IZAY AHO MBA NIVILY
TSY NANDRAY NY TANANANAO NAMIHINA AHY
RAHA TSY ZANY REHETRA IZANY
DIA HO FOANA NY FOTOANA
NIRESAHAN-TSIKA ROA
DIA TSY HO REVO ANAO
SAINGY INDRISY HOY AHO
TSY AFAKA HIVERIN-DALANA AHO

Dia tsy nisy teny
Tsy nisy ny fahazavana fa lasa ianao
Lasa toa nivenjivenjy
Tsy nitombona, taraina ny fanahiko
Dia ny nenina no sisa
Haverimberina alin-kisa tsy hita ianao
Manontany tena ihany
Fa nahoana ny niafaràny
No toa izao

Misy ve ny hadisoako?
No toa lasa an-tsokosoko
Nandao ianao
Fa voaratranao ny foko
Feno sento sy toloko
Marary aho
Mitaraina koa ny saina
Valabalaka ny aina nilaozanao
Saingy mitohy ny fiainana
Tsy afaka hijanona
Hiandry anao

TAHAK'IZAY...


Partager tahak'izay

Commenter tahak'izay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite