4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy kivy - Rija Rasolondraibe

Tsy kivy aho fa miandry

miandry sady matoky

f’efa any ho any

ilay hazavana ho ahy

Na tsy hitako aza

no tsy azoko antenaina

izay efa nolazaina

no anamboarako ny fo sy saina



Fa  na lavitra aza ianao

na tsy hitako izao

Dia inoako fa tsy handao

fa hahatsiaro ny fiarahana

efa vita, efa hita

Fa tsy eo anilako eo

na tsy henoko ny feo

dia fantatro fa ianao

tsy miova fa toy ny hatrizay

toy ny omaly, falifaly



Faingana tongava

miandry anao aho

ny alahelo anao

antenaiko mbola hisava

Mino manantena

fa ho avy ianao

ny toky izay nomenao

antenaiko tsy lalao



Fa  na lavitra aza ianao

na tsy hitako izao

Dia inoako fa tsy handao

fa hahatsiaro ny fiarahana

efa vita, efa hita

fa tsy eo anilako eo

na tsy henoko ny feo

dia fantatro fa ianao

tsy miova fa toy ny hatrizay

toy ny omaly, falifaly



Fa efa  tena maika aho

maika ny haHita anao

ianao no efa nofidiana

Asa re ? mba rahoviana

fa ny aty efa liana de liana

Fa raha ho avy ihany ianao

aza ela toy izao

fa mampijaly ny tiana

miandry anao aho ry tiana

Fihafiana : fifalina any aoriAna






Partager tsy kivy

Commenter tsy kivy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Rasolondraibe

Suite