4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Novelariny - Rija Rasolondraibe

Novelariny ao am-poko ankehitriny

Ny hazavana izay nitantanany ahy

Ny fiainako rehetra feno ny fisiany

Ka ny lalako lasa lavitra ahiahy

    

     Fa nasehony ahy ny halemem-panahy

     Faharetam-po izay tena lehibe

     Izy ninia, sahy nitia ahy

     Izy mpitia, mpihaino sy mpandre



Ref: Jesosy ô!x2

       tiako loatra

       Ny fahasoavanao

       Jesosy ô!x2

       Tsisy mihoatra ny

       fitiavanao





Tsy hosoloiko fa izy tsara ho ahy

Ny finoako nofenoiny ny fanahy

Ny fitiavany no antoky ny foko

Izy no hany faneva hijoroako



     Raha manana an’i Jesosy aho manana ny Ray

     Maniry aho ho toa azy rahatrizay

     Ka ny vavaka hatao ho fihiram-baovao

     Izy anie ho tafaorina ao am-poko ao





Ref: Jesosy ô!x2

       tiako loatra

       Ny fahasoavanao

       Jesosy ô!x2

       Tsisy mihoatra ny

       fitiavanao

..........




Partager novelariny

Commenter novelariny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Rasolondraibe

Suite