4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Midera anao - Rija Rasolondraibe

Lay Mpanjakan’ny Mpanjaka

No antsoiko zao

Ilay Avo indrindra ao an-danitra ao

’Lay efa naharesy izao tontolo izao

No ametrahako indray izao vavako izao

Fantatrao izay tena miafina amiko

’Zay rehetra ao am-po, izay mandreraka ny lohA

Sy izay miseho amin’ny fiainako

Sy izay nokosehiko tsy hotadidiko

Ialako ny hadalako sy izay mety ho fahotako

Mitalaho Ray o mba fafao

Tsy mendrika hiantso ny anaranao akory aho

F’efa lehibe ny fitiavanao

Iriko sady tiako f’efa natolotrao ahy

Isaorako ianao Ray

Fa hery lehibe ho ahy ny fahalalako

Fa voavelanao ny heloko

Midera anao Andriamanitro

Midera anao(3x) Andrimanitro

Fa lehibe ny fitiavanao.

Partager midera anao

Commenter midera anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Rasolondraibe

Suite