4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miandry anao - Rija Rasolondraibe

Raha handeha ihany ianao

Raha sitrakao

Aza tena ilaozana tanteraka aho

Fa izaho hatrizay tsy mahay

Tsy zatra ilaozanao



Tsy hisakana izay mba fanirianao anie aho

Tsy hanimba izay mba tena tianao

Fa ny hasambaranao no tadiavina

Raha tsy misy ato an-trano

Dia tsara tso-drano



Nefa amelao sombiny amin’ny fitiavanao

Mba amelao na izay sisa tsy zakanao

Mba amelao na ho mpinamana tsotra izao

Raha handeha ihany ianao



Raha toa manembona ianao

Na koa mahatsiaro izay niarahana taloha

Ka matahotra na menatra ny hiverin-dàlana

Fantaro

Fa tsy hisakana izay mba fanirianao anie aho

Tsy hanimba izay mba tena tianao

Fa ny hasambaranao no tadiavina

Raha tsy misy ato an-trano

Dia tsara tso-drano



Fa miandry anao

Miandry anao foana ny toeranao

Miandry anao

Ireo izay efa nilaozanao

Miandry anao

Ny tia sy fitia

Modia

Partager miandry anao

Commenter miandry anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Rasolondraibe

Suite