4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola hotsaraina - Rija RASOLONDRAIBE


Tompon’andraikitra zato isan-jato ianao
Fa tsy hoe olona solafaka e
Iray lalana amin’ny Ponsi Pilato ianao
Fa nandidy sy nanapaka e
Hitondra sy hanompo ianao no nantsoina
Ianao anefa ity no tompotompoina
Ny tena maivamaivana ny aina
Nefa mbola holanjaina

Re hatrany andanitra any anie
Ny kiakan’i Abela sy ny rany
Amoron’ny lanitra ny ety an-tany
Tsy hainao hoe rahoviana ianao no mankany
Hijoro eo anoloan’i Jesosy ianao sakaiza e
Tsy afa-miala na ho aiza ianao na ho aiza
Ny marina zimbazimbaina nefa mbola hotsaraina

Tsy misy azo iafenana any
Tsisy politika na vola aman-karena
Fa izay vita rehetra tety an-tany
Mbola hitsarana , ianao no hojerena
Ny fiantraikan’izay rehetra natao
Efa voangona any miandry ny hahatongavanao
Na ianao ao antranon’ny Ray
Na mijaly mandrakizay

Ny fampiasana ny fahefana anie
No ahitana ny fitiavan-tena
Any tsisy ambonin’ny lalana
Na mpitondra fivavahana, na mpitondra firenena
Fa voasoratra ny zava-drehetra
Indray andro any
Ho avy ny fandoavan-ketra
Na ianao toy ny zanaka an-trano
Na ianao hidiran’angano

Ny fahefana anie fanambinana
Andriamanitra no manome
Fa ny fampiasana azy fanadinana
Ny tsy afaka no be dia be
Zava-doza anie izany helo izany
Ianao nefa mihazakazaka mankany
Minia manamaivana ny aina
Nefa mbola hotsaraina

Tsy misy azo iafenana any
Tsisy politika na vola aman-karena
Fa izay vita rehetra tety an-tany
Mbola hitsarana, ianao no hojerena
Ny fiantraikan’izay rehetra natao
Efa voangona any miandry ny ahatongavanao
Na ianao ao antranon’ny Ray
Na mijaly mandrakizay

Tsy misy azo iafenana any
Tsisy politika na vola aman-karena
Fa izay vita rehetra tety an-tany
Mbola hitsarana, ianao no hojerena
Ireo malagasy nohosihosena
Noho ny fitiavam-pahefana sy fitiavan-tena
Hitsangana hanameloka anao
Ahoana no ataonao?

Hitsangana hanameloka anao
Ahoana no ataonao?

Partager mbola hotsaraina

Commenter mbola hotsaraina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija RASOLONDRAIBE

Suite