4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Niova dika - POOPY

Fiteninao raha misy mahasorena,
ilaozanao avelanao irery aho
Zaho foana hoy ianao, no tsy ahasaraka
Fa ianao efa tofoka sy lao

Zary lasa fahafinaretanao
Ny mandratra amin'ny teny maharary
Tsapako amin'izao, tsy misy intsony ao
Ilay fitia, fa nisy fetrany ho doria

Toa raki-bolana vaovao no ampiasainao
Ts'isy izay tsy niova tao
Na ny dikan'ny hoe tia, niova ho lasa leo
Ny mandrakizay ho tapitra hatreo

Na izaho aza miombon-kevitra aminao
Toa tsy laitra intsony raha mbola hikiry sy hifikitra aho
Nanapakevitra aho, f'izaho no hanado anao
F'efa lao noho ny fandrahonanao

o!o!o!Aleo atao mitovy ny fijery
Amin'izay izaho tsy ho irery
Tsy ho ilay tavela teo, nangaina nitoreo
F'efa nahafoy sy sahy nandao anao

Toa raki-bolana vaovao...tapitra hatreo

Tsofiko rano, hahita soa!
Avelao aho mba hilamina ts'isy toreo!

Toa raki-bolana vaovao...tapitra hatreo

Partager niova dika

Commenter niova dika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe POOPY

Suite