4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izy roa ihany - Poopy

Hay moa ny @ topi-maso aza misy lanjany
Raha tena tia
Hay moa tsisy feo nefa miteny ireny rehetra ireny
Raha mifankatia

Tsy misy mahalala afa-tsy izy roa ihany
Izay ambarany
Nihiaka sy nitsafa manenika ny fon\'ilay tia

Hay moa afaka manova ny haizina aza indray
Ny tsiky iray
Hay moa mahasitrana izay ratra ao am-po indraindray
Ny tsiky iray

Tsy misy mahalala afa-tsy izy roa ihany
Izay ambarany
Nihiaka sy nitsafa manenika ny fon\'ilay tia

Hafa raha samy hafa
Tsisy teny mba tafa
Fa toa lanitra hafa no ialofan\'izy ireo
Izany no tena sambatra
Mifanojo fitiavana
Ka miandrandra ny lanitra
Mba hitoetra sy haharitra
Ilay fitia

Hay moa misy koa tsy miteny milaza tia
Rehefa tia
Hay moa fa ny doboky ny fony no efa ren\'ny ary
Ankilany

Tsy misy mahare afa-tsy izy roa ihany
Izay ambarany
Nihiaka sy nitafa manenika ny fon\'ilay fitia

Hafa raha samy hafa
Tsisy teny mba tafa
Fa toa lanitra hafa no ialofan\'izy ireo
Izany no tena sambatra
Mifanojo fitiavana
Ka miandrandra ny lanitra
Mba hitoetra sy haharitra
Ilay fitia

Tsisy mahalala izay ambarany
Tsy mahalala izay ambarany
Tsisy mahalala izy roa ihany
Izay ambarany

Partager izy roa ihany

Commenter izy roa ihany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite