4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny tiako rehetra - Poopy

Ny teny atsipinao
Izay niniako tsy ho re
Toa tsapako eto anio ny fahamarinany
Ny tolotolotrao
Tsy nahataitra hatramin'izay
Dia fantatro eto anio ny lanjany

Hatramin'izay
Tsy nisy naha-rototra ahy
Satria ianao teo foana teo anilako
Nihevitra aho fa
Na inona fitrangany eo
Ianao efa napetraka ho ahy

Nefa izao toa tampoka foana
Nilaozanao aho tsy ankiteny
Mipenipenina ny foko irery
Fa tsy ianao vao fantany fa ilainy

O! ny fisianao
Tsy nohalaliniko hatrizay
Satria nataoko ho efa izay ny làlana
Ny mety ho hevitrao
Tsy noheveriko satria
Jambenan'ny fitiavan-tenako aho

Ka mamelà ahy
Raha misy fihetsiko indraindray
Nampisy alahelo ao am-ponao ao
Mamela ahy
Henoy na tsy mendrika
F'izaho tsy feno raha tsy eo ianao

Partager ny tiako rehetra

Commenter ny tiako rehetra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite