4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maimaim-poana - Poopy

menao anay maimaim-poana
ny fanavotana ny fiainanay rehetra
nefa ts'isy zavatra hatao eny e!
afatsy tokana iray ihany
atolotray anao ny fonay
tsy mila asiana   fisalasalana akory
fa ianao ry tompo no handray eny e!
hanavao indray ny fanahinay

Ireo fahazarandratsy nay
dia efa sakana iray
ka manalavitra anay
tsy akaikinao Ray fa
mihatakona indray

Ny hambonay tafahotra koa
afo mandoro mahamay
raha izay ny fonay mitroatra
ka tsy afaka handray
izay sitrakao ry ray

Ny tenanay miady irery re
ka tsy itoerany fanahy
dia efa namany very
ho mandrakizay
satria tsy eo ry Ray

Ry fonay trotraky ny otanay
maizina kitroka ery
dia ilaina vonjy ry Ray
diovy hadio anio dia anio

Partager maimaim-poana

Commenter maimaim-poana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite