4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rehefa tia - Landy

Yeah Ok!

Finoana sisa anaty foko

Na dia reko misoko

Mangina nefa indrisy tsy afaka hiroso

Ilay fitia efa naborako iny nefa sarotra ekena

Dia hatramin’izao aho miandry anao io mbola manantena

Masoandro iray izay avy any amin’ilay endrikao izay Yeah!!

Fahazavana ho ahy mandrakizay

Tsy maty an-tsaiko

Fa hitoetra foana hijanona ho fanilon' ny fiainako

Anavotra amin’ny andro fanaintainako





Ref:

Ny hazavanao mitoetra na dia alavitra aza ianao

Ny hafanana navelanao ahy mbola ré mamay

Manafana rehefa sendra ngoly

Toa tamana nefa dia tsy eo ianao

Ny eritreritra no alefa lavitra any mba hijery anao zay

Hanalana sorisory

Mazàna nefa mieritreritra hoe hafa ihany angamba

Izany hoe eo anilanao zany

Miran-dava sady ho faly hanadino jaly

Miaina marina ilay iriko ho tonga sy hitoetra

Eto amiko eto mandrakizay

Fiainana misy anao tiako





2fois:

KA AVELAO AHO: Mba hitoetra eo anilanao

KA AVELAO AHO:hiaina marina ny fiainanao

KA AVELAO AHO: hanatanteraka ilay faniriko hatramin’izao fa mbola hafa ihany ianao







Fa ianao irery  ry aiko  no nahavitako namafa ny holatry ny lasa ratsy

Taloha saika tsy voafafa

Nahitako fa mba misy fy ty fiainako

Nahatsapako hoe zany aho rehefa te

Fa tsy ilaiko ny saiko raha toa tsy ho ren'ny aiko akory

Fiainana natolotra ahy avy amin’ny raiko

Raha tsisy anao ilay mbola antenaiko

Raha ny hoaviko andrandraiko hanova ny fiainako ho favy

Androany aho anefa samy milaza fa hoe tiako ianao

Hoe hafa mihitsy ny eo anilanao

Nefa taloha : milazà mialoha mba tsy hironako aminao

Fa raha ianao no tiako vitako ny miandry ny orana tsy ho avy







2fois:

KA AVELAO AHO: Mba hitoetra eo anilanao

KA AVELAO AHO:iaina marina ny fiainanao

KA AVELAO AHO:Anatateraka ilay faniriko hatramin’izao fa mbola hafa iany ianao




Partager rehefa tia

Commenter rehefa tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Landy