4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lazao ahy - Poopy

Tato ho ato

Asa lahy,fa niova ianao

Nangatsiaka,mampanahy ny fijerinao

Tsisy intsony ireo sagisangy izay fanaonao

Tsisy intsony ireo teny mamy

Izay fibitsikao ahy

Mbola tia aho ka tsy sahy manontany anao

Sanatria handratra ahy ny ho havalinao

Toa tsy ho tanty intsony indraindray ny fahanginanao

Tsy ho tanako indraindray ny taraina ao am-po



ref:Lazao ahy fa tsy misy izany

Fa diso fihevitra aho

Lazao ahy fa iniako na toa ka tsy marina aza



Mbola misy ho ahy ve ilay hafananao

Avereno ho ahy indray ilay fitiavanao

Toroy hevitra aho raha azo atao

Mbola hambamboako anao

Ampianaro aho hahafoy anao

Raha tsy tianao intsony



Lazao ahy fa tsy misy izany

Fa diso fihevitra aho

Lazao ahy fa inoako na toa ka tsy marina

Lazao ahy,raha mbola misy azo hatao ny hijanonanao

Lazao ahy

Partager lazao ahy

Commenter lazao ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite