4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao no heriko - Rija Rasolondraibe

Ianao no heriko





Ampelan-tananao manomboka izao

Ny eritreritro, fihetsiko sy ireo fomba fanao

Aza avelanao ho resy raha toa misesisesy

Ireo fankampanahy hamandrika ahy



Ref-

Ianao no heriko raha mafy ny manjo ahy

Fa famelana fahotana ianao, afaka ahiahy

Tsy fitsarana, na fangejana fa fo onena

Hizara famonjena



Raha sendra ka mianjera aho, ka trotraka ny dia

Lazao aho fa aminao tsy miova ny fitia

Amboary anatiko ao, fitia vaovao

Tsy mety ho very, fa mahery



Ref-



Omeko anao ny fiainako sy izay momba ahy

Ny hatanorako ny heriko ny foko sy fanahy

Ekeko izao tsy hanompo tompo hafa aho satria

Tsy ho voafafa ny rà, ny herin’ny fitia



Rija rasolondraibe

Partager ianao no heriko

Commenter ianao no heriko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Rasolondraibe

Suite